Royal Beach Hôtel & Spa Nosy Be


Ny Fandraisana


Ny fandraisana dia malalaka 24 ora isan’andro. Ny ekipanay dia ho faly hanampy anao mandritra ny fijanonanao. Ny mpiasa an-tsitrapo amin’ny fiteny maro – Malagasy, Anglisy, Frantsay, Italiana – dia hanampy anao hamandrika taxi na ho an’ny fangatahana hafa ary hampifalifaly anao kokoa. Ny tolotra fifanakalozana vola dia azo jerena ao amin’ny Fandraisana – Famadiana ny vola vahiny Euros sy Dollara amin’ny vola eo an-toerana.
: Ariary. Fandoavana : Ny hotely dia manaiky ny fandoavam-bola amin’ny vola vahiny euro sy dollara. Karatra kaonty eken’ny : VISA sy MASTERCARD

TSARA HO FANTATRA

Dobo filomanosana


Ny Royal Beach Hôtel & Spa Nosy Be dia manolotra dobo filomanosana roa hoan’ny mpanjifany. Etsy andaniny, ny toby filomanosana lehibe iray dia manana toerana misaraka ho an’ny ankizy izay misy lalana mivantana mankany @ trano fisakafoanana, faritry ny zaridaina, ny trano fisakafoanana sy ny torampasika. Etsy ankilany, ny dobo filomanosana fakana aina sy fialam-boly izay natao indrindra ho an’izay mila filaminana. Ny servieta, elobe sy seza lava fandriana dia efa misy.

TSARA HO FANTATRA

Torapasika


Ny torampasiky Madirokely dia torampasika iray mahafinaritra izay hahafahanao mialavoly miaraka @ ilay seza lava sy elobe ary servieta.

TSARA HO FANTATRA

Fitaterana & Fanofana fiara-kodia


Rehefa tonga ny seranam-piaramanidina, ny Hotely Royal Beach & Spa Nosy Be dia manolotra serivisy fampitaovana amin’ny fiara madinika na fiara raitra manokana. Aza misalasala manontany rehefa mamandrika.
Misy fanofana tomobilina malalaka ihany koa mankany amin’ny nosy.

TSARA HO FANTATRA

Fahatsiarovana


Aza adino ny mitondra fahatsiarovana ho an’ireo namana sy havanao…
Manana toeram-pivarotana izahay ahitanao karazana fanomezana sy fahatsiarovana amin’ny vidiny mirary. Misy ihany koa ny entana maro isan-karazany mety ho ilainao eny an-toerana mandritra ny fivahiniananao izy azonao vidiana amin’io toeram-pivarotana io : asa-tanana, lamaody, fanomezana nenti-paharazana, ho hitanao eo avokoa izay entana rehetra ilainao.

TSARA HO FANTATRA

Toeram-pilalaovana hoan'ny ankizy


Mandray ireo ankizy 3 taona hatramin’ny 12 taona ny toeram-pilalaovana natao ho an’ny ankizy. Ho feno tokoa ny tontolo andron’izy ireo amin’ireo kilalao manita-tsaina sy mampiasa vatana. Misy mpanentana manan-traikefa hikarakara ireo zanakao amin’izany toerana izany.
Ho anao Ray aman-dReny dia misy ny mpitaiza azo itokisana afaka miandry sy mitaiza ny zanakao ary mila miteny 24 ora mialoha ianao raha mila izany tolotra izany. Azonao atao ny miantso ny sampana fikarakarana mpanjifa ahazoanao fanampim-panazavana misimisy kokoa na mba ahafahanao manao famandrihana.

TSARA HO FANTATRA